0

Hotely Tsarabanjina : Namafisina ny Fiambenana.

Manoloana ireo lahatsoratra an-gazety sy resabe mahakasika ilay fanafihan’andian-jiolahy ilay nosikely sady toeram-pivahinianana Tsarabanjina dia nanao fanambarana androany ireo tompon’andraikitr’ity toerana mitondra kintana dimy ity.

Araka ny fanazavan’izy ireo dia tsy nisy ny fikasihan-tanana na fifandonana teo amin’ireo mpanafika sy ny tompo-trano. Ireto mpanafika izay tonga tamin’ny alalan’ny sambo haingam-pandeha ka nanafika ny birao misy ireo mpitantana ny hotely avy hatrany. Solosaina maromaro, vola 4000 euros ary sambo iray an’ity hotely ity no lasan’izy ireo tamin’izany. Tsy nisy kosa ny fanafihana ireo trano fipetrahan’ny mpivahiny.

Efa nisy moa ny fepetra noraisin’ireo mpitantana ny hotely taorian’ny fametrahana fitarainana tany amin’ny manam-pahefana. Efa manao ny asany koa ny mpitandro ny filaminana any Nosy Be amin’ny fikarohana ireo mpanafika ireo. Mampahafantatra koa moa ireo tompon’ny hotely fa nisy ny fanamafisana ny fiambenana io toerana io ka iarahana miasa amin’ny mpitandro filaminana sy orinasa tsy miankina izany.

Sokajy: Samihafa Tags: , ,

Zarao

© 2017 Actualité de Madagascar en Malgache.. All rights reserved.