0

Filoha Hery: Mbola sahy hampiesona?

Hanao valan-dresaka amin’ny mpanao gazety anio alina ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Ho alefa mivantana ao amin’ny TVM sy RNM ary ny televiziona tsy miankina Dream’in ity resadresaka iarahany amin’ny mpanao gazety ity anio amin’ny 8 ora alina. Toa lasa fomba fanaony mantsy ny manao izao isaky ny tsingerin-taona toy izao. Raha tsiahuvina ny zava-nisy tamin’ny taona lasa, izay nanaovany hetsika toy izao. Nmpiavaka ny tamin’ny taona lasa koa nefa ny tonga dia ny nisian’ny fanendrena ny governelmanta vaovao tamin’izany.

Ho izany ihany ary ve no hitranga anio? Efa mamofompofona fanovana governemanta mantsy ny tsion-dresaka mandeha eto izao. Fa ankoatry ny governemanta dia efa miandry ny fanendrena ireo loholona avy amin’ny filoha koa ireo mpanara-baovao politika. Ankoatry ny izay mety ho fizarana seza dia tsy hoa afa-bela koa  ny filoha amin’ireo fanontaniana mahamaivay toy ny tsy mbola fijoroan’ny fitsarana ambony.

Anio alina isika hahalala ny valiny.

Sokajy: Politika Tags: , ,

Zarao

© 2017 Actualité de Madagascar en Malgache.. All rights reserved.